Amin’ny maha-minisitra mpiahy ny faritra Vakinankaratra an-dRamatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY dia nandray anjara tamin’ny fizarana kara-tany tany Faratsiho, niaraka tamin’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Atoa Naina ANDRIANTSITOHAINA izy omaly Alatsinainy
.Maherin’ny 100.000 ny kara-tany anjaran’ny distrikan’i Faratsiho, ka 10.800 no efa vonona hozaraina amin’ireo mponina miparitaka amin’ny kaominina 5 efa manana PLOF (plans locaux d’occupation foncière) vita fanavaozana ara-dalàna. Anisan’izany ny kaominina Valabetokana izay nozaraina omaly ka mpisitraka 1.200 no nahazo izany.
Hafaliana lehibe no nandraisan’ny mponina izany satria tena mamaha olana lehibe amin’ny resaka fananan-tany ny fisian’ireo kara-tany, araka ny toromarika nomen’Atoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia ny hiantohana ny fanomezana ny tany ho an’ny Malagasy.
Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nisaotra ny Filoha Andry RAJOELINA Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY satria ny faritra Vakinankaratra no nahazo kara-tany be indrindra manerana an’i Madagasikara, 400.000 be izao no isan’ny mponina hisitraka izany manerana ny faritra ary ny 100.000 amin’ireo dia ao Faratsiho.
Mbola hitohy araka izany ny fizarana kara-tany, efa nampanantena ny Minisitry ny fanajariana ny tany fa hirosoana ny fanomezana kara-tany ireo kaominina 4 amin’ny disitrikan’i Faratsiho mbola tsy manana izany raha vao vita ny fanavaozana ny PLOF ho azy ireo.
Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany