Ampahavitrihina no nirosoan’ny mpiara-miasa eto amin’ny Minisitera sy ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa eto Analamanga androany sabotsy faha 18 may 2024, .tamin’ny fikolokoloana ny Lysea teknika eto Ampefiloha. Namboly voninkazo sy nanao fanadiovana ny tokontany ahakanto ny tontolo fiasana sy fianarana ny rehetra. Tsapa fa efa tafapaka tanteraka amin’ny maro ny lalan-tsaina Tagnamaro izay voafaritra mazava ao anaty Politika nasionalin’ny kolontsaina, lalàna manan-kery eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.. Toy ny fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana dia manatanteraka hetsika “Tagnamaro” toy izao ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa sy ireo fitaleavam-paritra ao aminy, hanehoana firaisan-kina ao anatin’ny asa fanatsarana ny fotodrafitrasa eo anivon’ny sekoly.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
kolotsaina, soa iombonana, mahatsiaro ho tompony
Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa