En vue du lancement officiel du programme Seeds for the future le 17 juillet prochain, la Directrice de la Communication et des Relations Publiques de Huawei Madagascar a rendu une visite à Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle ce 07 juillet 2023 à Ampefiloha.
En effet, la rencontre de ce jour s’est focalisée sur la suite de la formation et la remise à niveau des compétences en TIC pour les étudiants malagasy à travers le programme Seeds for the future.
Ce programme est une formation de haut niveau où Huawei sélectionne les meilleurs étudiants du monde entier à suivre un parcours de 8 jours sur le leadership, la transformation digitale, les échanges culturelles et l’entrepreneuriat. Ces étudiants seront assistés par des mentors professionnels pour monter leurs projets pour le concours international #TECH4GOOD, afin d’obtenir un financement allant jusqu’à 100.000 dollars.
Pour Madagascar, 32 étudiants venant des universités tels que ESP Diego, IST Diego, ESPA Vontovorona, MISA – Université d’Akatso, ISCAM, INSCAE, ACEEM, Université de Vakinankaratra, ENI Fianarantsoa, Confucius d’Antananarivo seront sélectionnés pour suivre ce programme de formation qui va être certifié par le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle afin que les jeunes puissent entrer sur le marché du travail. Et bien évidemment, une signature de convention entre le METFP et Huawei en découlera.
A titre de rappel, Huawei dispose de trois programmes de formation à travers son partenariat avec les universités locales à savoir : ICT Academy, ICT Competition et Seeds for the future.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juillet 2023
METFP – HUAWEI MADAGASIKARA : Hisy fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny TIC
Ho fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fandaharam-piofanana Seeds for the future eto Madagasikara izay ho tanterahina ny 17 jolay ho avy izao dia tonga nihaona tamin-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny Tale misahana ny serasera sy ny fifandraisana avy amin’ny Huawei Madagasikara ny 07 jolay 2023 tao Ampefiloha.
Niompana tamin’ny fanohizana ny fiofanana sy ny fampivoarana ny fahaiza-manao informatika ho an’ny mpianatra malagasy amin’ny alalan’ny programa Seeds for the future ny fihaonana androany.
Ity programa ity dia fanofanana avo lenta izay isafidianan’i Huawei ireo mpianatra mendrika indrindra eran’izao tontolo izao hanaraka ny fiofanana maharitra valo andro momba ny fitarihana, ny fanovana nomerika, ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary ny fandraharahana. Ireo mpianatra ireo dia hanana mpanoro hevitra izay hanampy azy ireo hanangana ny tetikasany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena #TECH4GOOD, mba hahazoany famatsiam-bola hatrany amin’ny 100,000 dolara.
Ho an’i Madagasikara dia mpianatra miisa 30 avy amin’ny oniversite toy ny ESP Diego, IST Diego, ESPA Vontovorona, MISA – Université d’Akatso, ISCAM, INSCAE, ACEEM, Université de Vakinankaratra, ENI Fianarantsoa, Confucius d’Antananarivo no hofantenana hanaraka io fandaharam-piofanana io, izay ho ankatoavin’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ahafahan’ireo tanora miditta eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany. Ary mazava ho azy fa hisy fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy Huawei.
Raha tsiahivina, manana fandaharam-piofanana telo ny Huawei amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo oniversite eto an-toerana dia ny : ICT Academy, ICT Competition ary Seeds for the future.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jolay 2023