🆕🆕Nandray ny ONG Manampy, izay tarihan’Andriamatoa ANDRIANIRINA Zafitsara Tantely, Sekretera Jeneraliny, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny Alatsinainy faha 17 oktobra 2022.
✅✅Ny volana aprily 2022 no nitsangana ny ONG ary mifototra amin’ny fikarakarana ny ankizy sy ny tanora ary ny vehivavy amin’ny fampananan’asa izy ireo. Iaraha-mahalala ny fahasahiranana amin’ny fitadiavana asa ankehitriny ka nahatonga ny ONG hiara-hiasa amin’ny Manjary Design ary hanokatra Centre de Formation Professionnelle Qualifiante (CFPQ) eo amin’ny famolavolana ny “crochet”.
🎯🎯 Tanjon’ny METFP ny fampiharana ireo Velirano faha 4 sy faha 6 ary izay indrindra ny fanomezan-danja ireo olona marefo sy manana fahasembanana hisitraka asa mendrika.
Marihana fa tsy eto Antananarivo irery no misy ny ONG Manampy fa misy koa ny Foibe Fanomanana ny Moana sy ny Marenina (FOFAMA) any Antsirabe izay mandray ireo vondron’olona mana olana amin’ny fihainoana sy ny fitenenana ary manome fiofanana azy ireo mba hahafahany miatrika ny tsenan’ny asa.
⬆⬆Ivon-toeram-panofanana dimy no vinavinaina ho sokafana hatramin’ny tapaky ny taona 2023 ho an’ny faritra Analamanga. Maro ireo sehatr’asa iandraiketan’ny ONG toy ny “crochet”, ny “ethanol combustible”, ny “agriculture urbaine”, ny “agro-industrie” ary ny “supermarché de proximité”.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ octobre 2022