Fanofanana faobe ao Toamasina : nomena vahana manokana ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena irery

Fanofanana faobe ao Toamasina : nomena vahana manokana ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena irery

Fanofanana faobe ao Toamasina : nomena vahana manokana ireo vehivavy marefo sy mamelon-tena irery

🔴 Nomena vahana manokana ny vehivavy marefo (femmes vulnérables) sy mamelon-tena irery ao Toamasina. Natomboka androany alatsinainy 26 febroary 2024 tany an-toerana ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana (coupe et couture), izay karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa. Nitarika ny lanonana tamin’izany ny minisitra, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

🔴 Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity. Satria voafetra ny toerana azo anaovana ny fiofanana dia hizara andiany telo izy ireo, mandritra ny 10 andro hanaovana ny fiofanana. Rehefa vita ny fiofanana dia hizarana “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, ireo vehivavy mpiofana ireo.

🔴 Nambaran’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenenana, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA.

🔴 Tafiditra ao anatin’ny programan’ny Filohan’ny Repoblika ny fitsinjovana manoka ny vehivavy marefo sy mamelon-tena irery. Tanjona amin’izao fanofanana izao, araka izany, ny mba hahatonga azy ireo hahavelon-tena, sy tsy hiankin-doha amin’ny hafa. Ankoatra izay dia nanamafy ny Minisitra, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, fa tokony ho ny “vehivavintsika no hampiana mba hivoatra”, ka mahatonga ny minisitera izay tarihiny hanao izao fampiofanana faobe manokana ho an’ny vehivavy izao.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle