Miisa 328 ireo vehivavy mionjo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ifarantsa ary 1770 kosa ireo tao Taolagnaro no nisitraka fiofanana mikasika ny pâtisserie de base, ny fanamboarana paty gasy ary ny Agri élevage ary ny femme de chambre. Izao fanofanana izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Association FITAHIANA izay eo ambany fiahian-dRamatoa Solombavambahoaka sy ny Fitaliavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ao an-toerana, ny zoma faha 25 novambra 2022.
Tonga nanotrona izany ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa notarihin’ny Mpandrindra ankapobeny ireo programa sy tetikasa nisolo toerana an-dRamatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella notronin-dRamatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro, ny Ben’ny tananan’ny Faradofay sy Ifarantsa, ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Anôsy.
Natao izao fanofanana izao mba hanomezana lanja ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy ary koa hampivoatra azy mba hananany asa mahavelona.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novembre 2022