🔴 Ny 80 isanjaton’ireo tanora miisa 230 nanaraka ny fifofanana maimaimpoana, mikasika ny Freelancing Web, ao anatin’ny fampiofanana faobe (formation de masse) amin’ny “Métiers du Web” tao Antsirabe no hanangana avy hatrany ny orinasany, araka ny fantatra tao anatin’ny lanona famaranana ny fampiofanana azy ireo, androany zoma faha 29 martsa 2024, tao Antsirabe.
🔴 “Zava-dehibe izany”, hoy ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, nandritra ny lanonana fizarana mari-pankasitrahana, famaranana ny fiofanana. Tratra araka izany ny tanjona, dia ny hahatonga ireo tanora ireo ho afaka hiditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany, tsy ho vesatry ny fiaraha-monina intsony.
🔴 Nanangana “plateforme en ligne” (FreelancerMadagascar.Com) koa ireo tanora ireo mba hahafahany mampahafantatra ny fisiany sy ny fahaiza-manaony amin’ny tsena iraisam-pirenena, izany hoe misokatra amin’ny sehatry ny asa iraisam-pirenena avy hatrany ireo tanora ireo amin’izao fotoana izao.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”