🔴 Manao tohivakana ireo mpiara-miombon’antoka manantona sy maneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ Fampianarana teknika sy ny Fiofanana arak’asa. Androany alarobia 21 Febroary 2024 dia nandray ny solotena maharitry ny Fonds des Nations unies pour la population (UNFPA), miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Josiane Yaguibou, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fiofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
🔴 Ny fampiofanana ny vehivavy sy ny ankizy vavy ary ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera ary ny UNFPA no niompanan’ny resaka.
🔴 Nampafantarin-dRamatoa Minisitra azy ny program-piofanana faobe (formation de masse), ho an’ny vehivavy marefo (femmes vulnérables) izay hatomboka afaka andro vitsy. Programa iray izay haparitaky ny minisitera any amin’ny faritra izy io. Tsy nisalasala fa nilaza avy hatrany ny fahavononany hanampy ny minisitera amin’io programa io ny solotena maharitry ny UNFPA, miasa sy monina eto Madagasikara.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
UNFPA Madagascar
Lalatiana Rakotondrazafy