Notanterahina androany alatsinainy faha 22 aprily 2024 ny fifamindram-pahefana teo amin-dRamatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa teo aloha sy Ramatoa Hanitra RAZAKABOANA, Minisitry Asa sy ny Fampananana asa ary ny Asam-panjakana, Minisitra mpisolo toerana vonjimaika eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa.
🔴 Anisan’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta nirotsaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka, izay hotanterahina ny faha 29 may, ny minisitra teo aloha, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, nametra-pialana tamin’io andraikitra nanendrena azy io, tamin’ny herinandro lasa teo, araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery.
🔴 Miandraikitra ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny minisitera ny minisitra mpisolo toerana vonjimaika, Ramatoa Hanitra RAZAKABOANA, ary naneho ny fahavononany hifanolo-tanana amin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa amin’izany andraikitra ho sahaniny izany.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
Lalatiana Rakotondrazafy
Ministère du Travail, de l’Emploi et de la Fonction Publique