Fifamindram-pitantanana teo anivon’ny METFP

Fifamindram-pitantanana teo anivon’ny METFP

Fifamindram-pitantanana teo anivon’ny METFP

Tontosa ny 16 janoary 2024, tao Ampefiloha ny fifamindram-pitantanana teo amin-dRamatoa RAKOTONDRAZAFY Lalatiana, voatendry ho Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministra teo aloha.

Nizotra tamin’ny antsakany sy andavany ny fifamindram-pahefana teo amin’izy mirahavavy ary tao anaty firaisan-kina tanteraka izany. Isan’ireo nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon-dRamatoa Ministra teo aloha ny ezaka sy ny fanatsarana rehetra vita nandritry ny fe-potoana niasany. Tsy nanadino ny nisaotra ireo mpiara-miasa ihany koa izy tamin’ny lahateny izay nataony.

Ho an-dRamatoa Ministra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY kosa dia nankasitraka sy naneho teny fisaorana an-dRamatoa Ministra teo aloha ny tenany ary nampanantena fa hanohy ireo ezaka rehetra efa natomboka fa indrindra hampandroso haingana ny departemanta araka ny toromarika napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA, indrindra eo amin’ny lafiny fampiofanana ireo tanora, ho avin’ity firenentsika ity.

Tao aorian’ny lanonam-pamindram-pitantanana dia nitafa sy niresaka tamin’ny fianakaviam-ben’ny mpiasa eto amin’ny METFP Ramatoa Ministra. Mazava ny toromarika : mila miasa tsara, miasa mafy ho fanatanterahana ireo vinan’ny Filoham-pirenena ary hampandroso ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ janoary 2024

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle