Fiofanana mamaky vato, mandrary ary fametrahana rarivato : nitarina tany Faratsiho, faritra Vakinankaratra

Fiofanana mamaky vato, mandrary ary fametrahana rarivato : nitarina tany Faratsiho, faritra Vakinankaratra

Fiofanana mamaky vato, mandrary ary fametrahana rarivato : nitarina tany Faratsiho, faritra Vakinankaratra

Natomboka tao Faratsiho, faritra Vakinankaratra, androany sabotsy faha 3 febroary 2024 ny fanitarana amin’ny faritra ivelan’Analamanga ny fampiofanana arak’asa ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa. Ny famakiana vato sy fandrariana ary fametrahana rarivato no natao tamin’izany, ary mbola hitohy amina faritra hafa.

Tanjona voalohany ny hahafahan’ny tanora sy ny mpiofana miasa avy hatrany, mamelona ny fianakaviany. “Tsy amelantsika raha tsy mivadika ho asa ampidiranareo vola, hamelomanareo fianakaviana ny fiofanana”, hoy ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’ asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, sady zanak’i Faratsiho, raha nandray fitenenana manoloana ireo mpiofana, izay vehivavy ny ankamaroany.

Tanjona faharoa ny ho fitrandrahana ny harena ampelatanana, dia ny vato, mba havadika ho lalana, ho tombotsoan’ny daholobe. Betsaka ny lalana ratsy tokony hatao rarivato, izay vahaolana haingana indrindra, araky ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.

Nohamafisin’ny minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fa hisy ny fifanarahana amin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy ny amin’ny tokony handraisana ireo mpiofana mpamaky vato, nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana araka’asa, hiasa amin’ireny orinasa nahazo tsenam-baro-panjakana amin’ny tetikasa fanamboarana lalana rarivato manerana ny Nosy ireny.

Toy ny teny Ambohidratrimo dia efa nisy ny fampiofanana ho an’ny mpampiofana (formation des formateurs) miisa 41, izay notolorana fanamarinam-piofanana androany, mariky ny fahavitan’ny fiofanana. Izy ireo indray no hampiofana tanora sy vehivavy 20 avy, izany hoe 820. Natomboka androany io fanofanana io.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle