Nandray ny masoivohon’i Maroc miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa MOHAMMED Benjilany, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa androany tao amin’ny birao fiasany teo Ampefiloha.
Manana fiaraha-miasa goavana amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa ny firenena marokana, anisan’izany ny nananganana ny Ivotoerana fanofanana arak’asa lehibe any Antsirabe izay ny Mpanjakan’i Maroc Sa Majesté Mohamed VI no namatsy vola azy. Nandinika ny fahafahana miroso amin’ny fanokafana sy ny fampiodinana izany Ivotoerana izany ny 2 tonta androany, aorian’ny fitokanana iandrasana ny fahatongavan’ny Mpanjaka Marokana eto amintsika.
Teboka faharoa niompanan’ny dinika ihany koa ny fanohizana ny fandefasana mpianatra hanao fiofanana arak’asa any Maroc tahaka ny efa fanao isan-taona.
Nandritra izany fihaonana izany no nanazavan-dRamatoa Minisitra ny fandaharanasany ao anatin’ny 100 andro sy ny antonona ezaka ary ny lavitra ezaka, mifanaraka amin’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA. Nanome toky ny fanohanan’i Maroc hatrany an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanofanana arak’asa Atoa masoivoho ho fanatanterahana ireo fandaharanasa samihafa ireo.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”