Fanehoana an-tsary ny hetsika « TAGNAMARO, ANDRON’NY OLOM-PIRENENA » androany 20 aprily 2024 Toy ny fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana dia nanatanteraka hetsika « TAGNAMARO » ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa androany 20 aprily 2024. Ny famaranana ny asa fanatsarana ny tamboho mamefy ny LTA ao Ampefiloha, miampy fandokoana, ary fanohizana ny asa fanatsarana ny manodidna ny foiben’ny minisitera, no nanamarihana izany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”