LTP Alarobia: Famoahana ny andiany TAFITA

LTP Alarobia: Famoahana ny andiany TAFITA

LTP Alarobia: Famoahana ny andiany TAFITA

➡➡Tontosa ny zoma faha 18 Novambra 2022 tetsy amin’ny LTP Alarobia ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany TAFITA. Miisa 85 mianadahy ireo nahazo ny mari-pahaizana Brevet de Technicien Supérieur (BTS) ary nanaraka ny sampam-panofanana telo samihafa :

  • Génie Electrique nahitana 32
  • Génie Electronique : 21
  • Mécanique et Maintenance Industrielle : 32

✅✅Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pizarana mari-pahaizana Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Andriamatoa Belahy Jean Baptiste, Tale Jeneraly Lefitra eo anivon’ny orinasa Huawei Technologies no sady Ray mpiahy ny andiany TAFITA.

🎯🎯Nanambara Ramatoa Ministra nandritra ny lahateniny ny fampiharana ny Velirano faha 4 sy faha 6 izay mifototra amin’ny fanofanana ny rehetra sy ny fisitrahana asa mendrika ho an’ny rehetra. Ny fahazoana mari-pahaizana toy izao dia dingana lehibe manokatra ny varavaran’ny sehatry ny asa ary ilaina hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-manao, indrindra amin’ny fizaran’asa eny anivon’ireo orinasa lehibe. Tsara ny manamarika fa nahitana vehivavy 3 ny andiany TAFITA ary porofo izany fa tsy natao ho an’ny lehilahy ihany ny Fampianarana Teknika fa afaka misitraka izany daholo ny rehetra.

💯💯Ny LTP Alarobia moa dia misehatra amin’ny fanofanana mifototra amin’ny taozava-baventy ary isan’ireo mampiakatra ny harin-karem-pirenena izany. Ireo 85 mianadahy no ho avin’ny firenena, fototra ho amin’ny fampandrosoana ary vonona hatrany ny Ministera hanome tanana amin’ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ireo tanora ireo.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novembre 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle