Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana

🔴 Kihon-dalana lehibe ho an’ny fampianarana teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana androany 11 aprily 2024, tao Ampefiloha, izay notarihin’ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

🔴 Hitondra vahaolana amin’ny tsy fifanojoan’ny asa sy ny fanofanana izany fanavaozana izany ary hahatanteraka ny fanamby hanaovana ny Fampianarana teknika ho fanoitry ny fampandrosona, mba tsy ho vesatry ny fiaraha-monina ireo tanora mivoaka avy amin’io seha-pampianarana io fa ho lasa mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana, ary indrindra indrindra hanomezan-danja ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa.

🔴 Ny zavatra misy, ankehitriny, dia ambany dia ambany ny tahan’ny fampidirana miasa ireo mpianatra mivoaka amin’ny sekoky teknika, sahirana izy ireo miditra amin’ny sehatry ny asa, sahirana koa ireo orinasa mitady olona manana ny fahaizana teknika hiasa ao aminy satria tsy mifanaraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa ny tolotry ny fanofanana sy ny programam-pampianarana. Ny rafi-pampianarana rahateo dia tany amin’ny taona 90 tany no nisy fanavaozana farany ary tsy mifanaraka intsony amin’ny toetrandro.🔴 Andrasana aorian’izao ny fanavaozana ny programam-pampianarana, ny fanatsarana ny tolotry ny fanofanana, ny famoronana karazam-piofanana vaovao, mifanaraka amin’ny takiany tsenan’ny asa sy ny fironana ankapobeny amin’ny filan’ny fampandrosoana. Ho tanteraka araka izany ny fanofanana tanora manana ny fahaiza-manao takiana amin’ny sehatra teknika nefa manana ny fahalalana ankapobeny koa, afaka miasa avy hatrany, raha vantany vao mahazo ny diploman’ny bakalorea.

🔴 Fanombohan’ny antanan-tohatra ny fanavaozana izao atao izao. Taorian’ny fanokafana ofisialy, dia miditra amin’ny fakan-kevitra ny mpandray anjara, amin’ny sehatra ny fampianarana teknika, ny teknisianina ary ny mpiara-miombonantoka, fa mbola hivelatra amin’ny sehatra maro avy eo. Atambatra ny tsao-kevitra dia hoentina hankatoavina eo amin’ny governementa mialoha ny fampiharana azy.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle