Toamasina : Tanora miisa 200 manaraka fiofanana amin’ny “métiers du web”

Toamasina : Tanora miisa 200 manaraka fiofanana amin’ny “métiers du web”

Toamasina : Tanora miisa 200 manaraka fiofanana amin’ny “métiers du web”

🔴 Taorian’Antananarivo dia i Toamasina indray no misitraka ny fanofanana faobe (formation de masse) maimaimpoana mahakasika ny asa monodidina ny tontolon’ny aterineto (métiers du web) izay tena miroborobo sy misampana amin’ny sehatra maro (call center, web marketing, mailing…). Natomboka androany alatsinainy faha 26 febroary 2024 tany an-toerana izany fiofanana izany, teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.

🔴 Tanora miisa 200 tamin’ireo 800 namaly ny antso nataon’ny Minisitera no voafantina hanaraka ity fiofanana andiany voalohany ao Toamasina ity. Tsy maintsy nandalo sivana izy ireo mba hahafahana manome fiofanana manana kalitao.

🔴 Tsy hijanona amin’ny fampiofanana ihany ity tetikasan’ny minisitera ity, satria, aorian’izao dia hisy ny “entretien d’embauche” (speed recruiting), izay ataon’ireo orinasa misehatra amin’ny tontolon’ny aterineto ao Toamasina. Toy ny natao teto Antananarivo dia hisy, mialoha izany, ny “personal branding”, na fanofanana ireo tanora ireo, ahafahany mampiseho eo anatrehan’ny mpampiasa fa manana ny fahaiza-manao izy ireo.

🔴 Nohamafisin-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, fa ny tanjona amin’izao fampiofanana faobe izao dia ny hidiran’ny tanora avy hatrany amin’ny tontolon’ny asa, rehefa avy manaraka ity fiofanana ity. Manaraka azy ireo hatrany, araka izany, ny minisitera sy ny mpampiofana mandrapahatafiditra azy ireo amin’ny sehatry ny asa tanteraka.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle