Dans la matinée du 11 septembre 2023, La Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, a reçu la visite de Madame Josiane Yaguibou, La nouvelle Représentante résidente du Fonds des Nations Unies pour la Population (UNFPA) à Madagascar.
Cette visite de courtoisie marque tout d’abord la continuité du partenariat entre le METFP et l’UNFPA. Rappelons que cette organisation internationale vise à promouvoir la santé, les droits sexuels et reproductifs des femmes, mais également à réduire la mortalité infantile.
La Représentante de l’UNFPA a également présenté à Madame la Ministre, le programme des Nations Unies pour la période 2024-2028, et les deux parties ont pu discuter des projets à entreprendre dans l’autonomisation des femmes, des personnes vulnérables et en situation de handicap.
La visite s’est terminée sur une note positive, avec des engagements renouvelés des deux parties à travailler ensemble à l’amélioration de la santé et de l’éducation des jeunes filles et des personnes vulnérables.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ septembre 2023
Fihaonana tamin’ny solotena maharitry ny UNFPA
Ny marainan’ny 11 septambra 2023 dia noraisin-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny solotena maharitry ny Fonds des Nations Unies pour la Population (UNFPA), Ramatoa Jsiane Yaguibou.
Fitsidihana ara-pombam-panajana sy fifampiresahana amin’ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny UNFPA no natao anio. Teo ihany koa ny fandinihana ireo tetikasa izay mifototra amin’ny vehivavy tanora, ny olona manana fahasembanana sy marefo. Hisy ny fanohanana azy ireo mba hananany asa velon-tena sy tsy miankina na amin’iza na amin’iza.
Nisy ihany koa ny fifampiresahana mikasika ny tetikasan’ny firenena mikambana ho amin’ny taona 2024-2028 izay efa azo vinaina sahady ny fandaharan’asa ho atao sy ireo vondron’olona tilian’ny tetikasa.
Nohamafisina ny fiaraha-miasa nandritra izao fihaonana izao ary samy vonona hifanome tanana ny andaniny sy ankilany ho fampandrosoana ny firenena.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septambra 2023