DRETFP ANOSY: Fiofanana manamboatra lalana rary vato

Anisan’ny sehatr’asa ilain’ny faritra ary betsaka mpangataka ny fiofanana mamaky vato sy ny fanamboaran-dalana rary vato. Maro rahateo ireo tanora no liana amin’izany, ka saiky azahoana fangatahana avokoa ireo faritra manerana ny Nosy.
Ny Kominina Mandromondromotra ao amin’ny Faritra Anôsy, indray no nangataka izany fanofanana izany. Amin’ity andiany ity, dia miisa 50 mianadahy izy ireo.
Fiofanana fohy ezaka izay iarahana amin’ny Association Menagnivo sy ny Lycée Technique et Professionnel Tolagnaro.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 4 Aogositra 2021 izany, izay niarahana tamin’ny Tale misahana ny fitatanam-bola eo anivon’i METFP – Andriamatoa RAKOTONANAHARY Rivo- sy ny Talem-paritry ny ETFP Anosy Andriamatoa Antonio TSILEFA .

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »

©️ SCOM-METFP
Photos:
Association_Menagnivo
Technique_et_Professionnel_Tolagnaro
DRETFP_Anosy
Kominina_Mandromondromotra
Faritra_Anôsy

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle