27 amin’ireo tanora nanaraka fiofanana faobe mikasika ny fanaovan-trano sy ny asa vaventy (Bâtiment et travaux publics), nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa (METFP), teny amin’ny INPF Ivato nandritra ny herinandro, no nahazo ny fanamarinana tsara indrindra (Mention très bien) avy amin’ny mpampiofana.
Nankasitraka ny fahavonona sy ny ezaka nataon’ireo tanora ireo ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, androany faha 16 aprily 2024, tao anatin’ny lanona fizarana marim-pankasitrahana ho azy ireo, natao tao amin’ny foiben’ny minisitera tao Ampefiloha. Tsapa fa maniry ny hivoatra ary mangetaheta fandrosoana tokoa ireo tanora ireo.
Maherin’ny 400 ireo nisoratra anarana, naniry ny hanaraka ity fiofanana ity, saingy noferana ho 100 ny isan’ny mpandray anjara mba hikajiana ny kalitaon’ny fanofanana, 85 tamin’ireo ihany anefa no nahavita hatramin’ny farany. Tsy ny lehilahy ihany fa ny vehivavy koa dia nandray anjara mavitrika tamin’izany. Nambaran’ny mpampiofana fa tsy latsa-danja tamin’ireo lehilahy ny vehivavy miisa folo niofana, anisan’ireo nahazo ny “Mention très bien” ny sasany tamin’izy ireo.
Ity fanofanana faobe mikasika ny BTP ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa nataon’ny METFP miaraka amin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikar (SIM), ho famahana ny olan’ny tsy fifanarahan’ny tolotr’asa sy ny fiofanana. Tsy manofana fe manofana ihany anefa isika, araka ny ny nambaran-dRamatoa Minisitra, fa manofana mba hahafahan’ireo tanora ireo hiasa avy hatrany.
Araka ny fifanarahana tamin’ny SIM, dia hiroso amin’ny fanaovana “entretien” an’ireo tanora nanaraka fiofanana ny orinasa mpikambana ao anatin’ity sendika ity, aorian’izao fizarana marim-pankasitrahana izao. Ho raisin’izy ireo miasa ao aminy avy hatrany izay mahafeno ny fepetra amin’izany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”