DRETFP ITASY: Fiaraha-miasa METFP – Nouvelle Aquitaine

⬆️⬆️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny « Région Nouvelle Aquitaine » sy ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa amin’ny alalan’ny DRETFP Itasy dia nisitraka fampitaovana ahitana milina sy kojakoja fampiasa eo amin’ny seha-panofanana mahakasika ny fambolena (agricole) ny LTP Soavinandriana sy ny LTP Miarinarivo.

✅✅Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panolorana ireo fitaovana ireo Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny 25 aogositra 2022 notronin’ny Governora ny faritra Itasy, ny Loholona sady mpiahy ny faritra Itasy, ny Solombavambahoaka voafidy tao Soavinandriana ary manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro hafa tao an-toerana.

📌📌 Nambaran-dRamatoa Ministra nandritry ny lahateniny fa « isan’ny fanamby hapetraky ny Ministera ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanatsarana ihany koa ny fisitrahan’ireo tanora, sy ireo olona marefo ny fampiofanana arak’asa, mba hahazoan’izy ireo asa velon-tena sy mendrika. »

➡️➡️Io fotoana io ihany koa no nametrahana ny vato fototra ho fanitarana ireo lysea teknika roa ireo ka mizara ho efitrano fianarana telo ho an’ny LTP Soavinandriana ary efitrano fianarana roa kosa ho an’ny LTP Miarinarivo.

⏩⏩ Ny Nouvelle Aquitaine izay vatsian’ny AFD hatrany no isany angady nanaona sy vy nahitana izao fotodrafitr’asa izao. Heverina ho vita anatin’ny 150 andro ny fanamboarana. Tsara ny manamarika fa ny fampitaovana sy fanorenana fotodrafitr’asa toy izao dia mampihatra ny velirano faha-efatra (4) sy faha-enina (6).

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ aogositra 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle