Ny taom-panofanana 2022- 2023 ho avy izao no hisokatra ny ivontoeram-panofanana eto Soanirena Ivongo, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa RAHANTANIRINA Vavitsara Gabriella.
Efa ela niandrasana izany ivontoeram-panofanana izany ny teto Soanierana Ivongo, satria dia voatery mihazo an’i Vavatenina na Fenoarivo Atsinanana ireo mpianatra maniry hanaraka ny lalam-piofanana teknika hatramin’izay.
Nanome toromarika ny Fitaleavam-paritra Analanjirofo noho izany Ramatoa Minisitra, ny amin’ny fanaraha-maso akaiky ny fananganana ity sekoly teknika ity nandritra ny fitsidihana nataony.
Nitsidika ny ivontoeram-panofanana momba ny zaitra, izay tantanan-dry Masera ao Soanierana Ivongo ihany koa ny Minisitry taorian’ny nitsidihany ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy tao Fenoarivo Atsinanana.
Ankoatra izay, dia tanora miisa 800 ao anatin’ny distrikan’ny Soanierana Ivongo sy Fenoarivo Atsinanana no nisitraka fanofanana fohy ezaka, sy asa velon-tena, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny politikan’ny Ministera sy ho fanatrarana ny vinan’ny Filoham-pirenena amin’ny fampananan’asa mendrika ho an’ireo tanora.
» Olo mahay raha tsy very mandeha «
©️SCOM METFP/ DRETFP ANALANJIROFO – Jolay 2022







