Lanonana famoahana andiana mpiofana tao amin’ny CFP Sabotsy Anjiro

Tonga nanome voninahitra ny lanonana famoahana andiana mpiofana tao amin’ny CFP Sabotsy Anjiro ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Atoa TSIKEL’IANKINA Ernest sy ireo mpiara-dia aminy, nontronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Moramanga, Atoa RAJAOBELINA Lova sy ireo manam-pahefana ao an-toerana. Notontosaina ny alakamisy faha 18 febroary 2021 izany lanonana izany ary tanora maherin’ny 108 no nisitraka fiofana tao. Fiofana azo sokajiana fa mifanojo mivantana amin’ny asa fivelomana: toy ny fanamboarana zezika biolojika, ny fiompiana akoho na « poulet de race locale amélioré », ny fiompina bitro, ny fanaovana tao-trano. Natao indrindra izao fanofanana izao mba hampitombo sy hampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mponina ao an-toerana, indrindra ny tanora izay hita fa tena liana amin’ilay fanofanana. Anisan’ny fampiharana ny velirano faha 6 napetraky ny Filoham-pirenena izao: « Asa mendrika ho an’ny rehetra», ary tanterahin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa amin’ny alalan’ny Politika nasionaly momba ny Fampananan’asa sy ny fanofanana arak’asa asongadin’ny tanjona faha 3 « Manofana mba hamoronana asa mendrika, azon’ny rehetra atao ary manome lanja ny harena voajanahary misy eto amin’ny firenena ». Ny CFP Sabotsy Anjiro raha tsiahivina dia ivon-toeram-panofanana eo ambany fitarihan’ny fitaliavam-paritry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Alaotra Mangoro ary hankalaza ny faha 70 taona nijoroany amin’ity taona ity. Nampanantena ny Ministra tompon’andraikitra fa hisy ny fanavaozana sy ny fanitarana ireo seha-panofanana misy ao an-toerana mba hifanandrify amin’ny fametrahana ny “zone d’émergence”.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle