METFP – FARITRA ATSIMO ANDREFANA : Fitsidihana ny LTP sy CFPF Toliara

➡️Ny fitsidihana ny CFPF tao Andabizy ndray no nisantatra ny fitsidihana ny tananan’i Toliara anio 26 Aprily.
Ahitana lalam-piofanana miisa 3 ny CFPF Toliara, dia ny « cuisine et pâtisserie », « informatique » ary ny zaitra. Tsy tonga nitsidika fotsiny i Ramatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, fa nitondra fitaovana hampiasaina hanaovan’ireo mpiofana fampiharana.

✅Taorian’ny CFPF, dia nitsidika ny LTP Toliara ny delegasiona notarihin-dRamatoa Ministra. Nandritra ny fitsidihana dia taratra avy hatrany ny fahasimban’ireo foto-drafitr’asa, ary indrindra ny tsy fahampian’ny fitaovana.
Nandritra ny lahateniny, dia naneho ny fialantsininy tamin’ireo mpianatra ny Ministra, ary nanambara sy nanome toky fa hanarina ny LTP Toliara.
Nifarana tamin’ny fizarana mari-piofanana ho an’ireo mpiofana 60 mianadahy ny lanonana.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️CABINET METFP/ Aprily 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle