Andiany EZAKA : Tanora 83 notolorana mari-panamarinana amin’ny fahaiza-manaony

Andiany EZAKA : Tanora 83 notolorana mari-panamarinana amin’ny fahaiza-manaony

Andiany EZAKA : Tanora 83 notolorana mari-panamarinana amin’ny fahaiza-manaony

Tao anaty hafaliana sy haravoana tanteraka no nizotra ny lanonam-panolorana ireo mari-panamarinana nahavitana fiofanana ho an’ireo tanora miisa 83 mianadahy nanovo fahalalana teo anivon’ny INFOPRO – Fifanampiana Centre Rassoul Akram (CFRA), ny 06 jolay 2023 tao Antohomadinika.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy Andriamatoa Haniphe AKBARALY, Filoha Tale Jeneralin’ny FCRA.

Raha tsiahivina dia efa ho folo (10) taona mahery izao no nijoroan’ny ivon-toerana ary ahitana ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny oniversite, fa indrindra ny ivon-toeram-panofanana arak’asa, manolotra fampiofanana momba ny informatika, ny zaitra ary ny fianarana teny frantsay sy anglisy. Miavaka amin’ny toeram-panofanana rehetra ny CFRA satria tsy vitan’ny fanabeazana sy fanofanana ihany no atolony fa eo ny fitaizana ara-panahy sy ara-pitondran-tena.

Nomarihan-dRamatoa Ministra nandritry ny lahateniny moa fa ny tanjon’ny Ministera dia mamatsy fahaiza-manao mba hananana asa mendrika sy mahavelona. Porofo maneho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina izao vokatra izao. Tsy adinony ihany koa ny nitso-drano ireo tanora hahaleo halasana ary hisondotra amin’ny ambony hatrany.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/jolay 2023


Promotion EZAKA : 83 jeunes ont reçu leurs certificats

C’est dans une ambiance pleine de joie et d’émotion que s’est tenue la cérémonie de remise des certificats de fin de formation aux 83 jeunes ayant suivi une formation à l’INFOPRO – Fifanampiana Centre Rassoul Akram (CFRA), ce 06 juillet 2023 à Antohomadinika.

Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle et Monsieur Haniphe AKBARALY, Président Directeur Général du FCRA sont venus honorer la sortie de promotion.

Le centre est implanté depuis plus de dix (10) ans et propose un parcours éducatif allant de l’école primaire jusqu’à l’Université, mais surtout, il dispose de centre de formation professionnelle, offrant une formation en informatique, en coupe et en couture ainsi qu’en apprentissage du français et de l’anglais. Le CFRA se distingue des autres centres par non seulement ses formations, mais surtout la mise en place d’une éducation spirituelle et morale.

Madame le Ministre a souligné lors de son allocution que l’objectif du Ministère est de fournir des compétences pour avoir un emploi décent et viable et ce résultat montre la coopération entre le gouvernement et le secteur privé. Elle n’a pas manqué de féliciter les jeunes et de leur adresser ses meilleurs souhaits.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ juillet 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle