🔴 Tao anatin’ny firaisankina, fanehoana fitiavan-tanindrazana, no nanatanterahana ny “Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” tao amin’ny Centre de Formation Professionnelle (CFP) tao Antsirabe, androany 29 martsa 2024, fankalazana rahateo ny faha 77 taonan’ny tolon’ny fanafahana tamin’ny 1947. Nitarika izany ny hetsika Tagnamaro izany ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
🔴 Nanova endrika amin’ny ampahany maro ny CFP eto Tefisoa izao hetsika natao teto Antsirabe izao. Ary nampietsi-po tokoa ny fiaraha-mientan’ireo sampandraharaham-panjakana misy eto an-toerana, toy ny avy eo amin’ny Ecole nationale des sous-officiers d’Antsirabe (ENSOA).
🔴 Toy ny efa natao tany aloha, ary nahitana vokany, dia ny hetsika toy izao no entina manatsara amin’ny ampahany ny fotodrafitrasa-mpampianarana eo anivon’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, LTP sy CFP, izay ahitana fahasimbana avokoa. Izay tsy azo tanterahina amin’ny alalan’ny “Tagnamaro” kosa, noho ny alehiben’ny asa, dia tsy maintsy mandalo tsenam-barom-panjakana.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”