Mba hahafahan’ireo tanora ao amin’ny Faritra Boeny misitraka fiofanana eo amin’ny seha-pihariana fambolena dia nihaona tamin-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny Governoran’ny Faritra Boeny ny 05 jolay 2023.
Niompana tamin’ny dinikasa hanangana Lysea teknika mifototra amin’ny fambolena ny fihaonan’ny roa tonta sy ireo ekipa teknika nanotrona an-dRamatoa Ministra. Araka ny nambaran’ny Governora dia betsaka ireo tanora ao amin’ny Faritra Boeny no maniry hiofana amin’ny seha-pihariana fambolena ary isan’ireo mampiavaka ny Faritra rahateo izany ankoatra ny jono sy ny fizahantany.
Tanjona napetraka moa dia ny hahafahan’ny Faritra Boeny mamatsy ireo vokatra toy ny legioma ao amin’ny nosy Mayotte izay tena akaiky an’i Mahajanga.
Samy vonona ny hitondra ny anjara birikiny avy ny Ministera sy ny Governora mba hitera-bokatsoa ho an’ny lafiny fanofanana arak’asa ny tanora izao tetikasa izao fa indrindra koa hampisokatra ny seha-pihariana fambolena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jona 2023
Promouvoir l’agriculture au profit des jeunes de la région Boeny
Afin que les jeunes de la Région Boeny bénéficient d’une formation dans le domaine de l’agriculture, le Gouverneur de la Région Boeny a rencontré la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella le 05 juillet 2023.
Les discussions entre les deux parties ont porté sur la mise en place d’un Lycée Technique et Professionnel agricole dans la région Boeny, car selon le Gouverneur, de nombreux jeunes souhaitent se former dans le secteur agricole et c’est d’ailleurs une des vocations de la région à part la pêche et le tourisme.
L’objectif est de permettre à la région Boeny d’approvisionner l’île de Mayotte en produits bio tels que les légumes.
Le Ministère et le Gouverneur sont prêts à se donner la main pour offrir une formation aux jeunes, mais aussi pour ouvrir le secteur agricole sur le marché international.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juin 2023