Taorian’ny fifanakalozan-kevitra lalina, ny tolo-kevitra ary ny soso-kevitra, dia nolaniana nandritry ny Filan-kevitry ny Governemanta ny 27 septambra 2023, ny didy hitsivolana momba ny fifandimbiasan’ny fianarana asa, mifandraika amin’ny famoronana sy fandaminana ny fanofanana amin’ny asa mendrika ho sata maha mpianatra.
Ity didim-panjakana ity dia novolavolaina tamin’ny fandraisan’anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka maro, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny solontenan’ny Minisiteran’ny asa, ny fampananan’asa asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, ny Minisiteran’ny fampianarana ambony, ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny faynofanana arak’Asa, ny Minisiteran’ny asa tanana sy ny varotra, ny Vondrona Mpandraharaha eto Madagasikara (GEM), ny Tahirim-bola fanofanana arak’asa Malagasy (FMFP), ny Fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Ny Mnisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, dia manazava fa “ny didy hitsivolana mikasika ny fiofanana momba ny asa sy ny fianarana ambarantsika anio dia vokatry ny fandinihana lalina sy ny fahavononantsika amin’ny fananganana fiarahamonina mifototra amin’ny fahalalana sy ny fahaiza-manao”.
Marihina fa ity didim-panjakana ity dia ahitana toko efatra sy andininy sivy amby roapolo, mametraka ny rafitra ara-dalàna sy manara-penitra amin’ny fametrahana ny fanofanana sy fianarana asa amin’ny satan’ny mpianatra. Ity fomba fianarana ity dia ahafahan’ny mpianatra manambatra ny teoria sy ny fampiharana ary mahazo fahaiza-manao matihanina mandritry ny fianarany.
Ity dingana ity dia manan-danja lehibe amin’ny fanavaozana ny fiofanana matihanina sy amin’ny fanomanana ny tontolo arak’asan’ny tanora.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septambra 2023
Adoption du décret interministériel portant sur la creation et organisation de la formation en alternance “sous statut etude”
Après des discussions approfondies, des recommandations et des suggestions, le décret interministériel sur l’Alternance Travail-Études, portant sur la création et l’organisation de la formation en alternance sous le statut d’étudiant pour les établissements d’enseignement et de formation professionnelle, technique et universitaire, a été adopté lors du Conseil du Gouvernement le 27 septembre 2023.
Ce décret a été élaboré avec la contribution d’un large éventail d’acteurs, notamment du secteur de l’éducation, des représentants du Ministère du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des lois sociales, du Ministère de l’Enseignement Supérieur, du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, du Ministère de l’Artisanat et des Métiers, du Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM), du Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP), du Groupement du Patronat Malagasy (FIVMPAMA), ainsi que des partenaires techniques et financiers.
La Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, tient à préciser que « le décret sur l’alternance que nous annonçons aujourd’hui est le fruit d’une réflexion approfondie et de notre engagement inébranlable envers l’édification d’une société basée sur le savoir et l’expertise ».
Il est à noter que ce décret se compose de quatre chapitres et de vingt-neuf articles, établissant le cadre juridique et réglementaire pour la mise en place de la formation en alternance sous le statut d’étudiant. Ce mode d’apprentissage permet aux étudiants de concilier théorie et pratique, en acquérant des compétences professionnelles tout en poursuivant leurs études.
Cette étape revêt une grande importance dans la modernisation de la formation professionnelle et dans l’insertion effective des jeunes dans le monde professionnel.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septembre 2023