« Zava-dehibe ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana mba hifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa » hoy Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella raha namoaka andiana mpianatra teny amin’ny INPF ny 24 jiona 2022.
✅ Mpiofana miisa 173, andiany faha-18 ary misalotra ny anarana FANANTENANA, no notolorana mari-pahaizana toy ny Brevet d’Etude Supérieur (BTS) , sy ny Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée (DFPS) , ary ny Diplôme de Formation Professionnelle continue( DFPQ), rehefa nanaraka fiofanana nandritra ny roa(02) taona tao amin’ity ivontoeram-panofanana ity.
⬆️ Seha-panofanana maro no narahan’ireto tanora :
- Froid et Climatisation
- Transit et Commerce International
- Mécanique Automobile
- Finances et Comptabilité
- Génie Mécanique et Maintenance Industrielle
- Electronique et Informatique Industrielle
- Electrotechnique
📌 Nanambara Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa fa ny fahavitan’izao fiofanana izao, dia mamaly ny fanatanterahana ny Velirano 4 sy 6 nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena ; ary mifanentana koa amin’ny tanjona apetraky ny Minisitera.
⏩ Ivontoeram-panofanana manana ny lazany ny INPF Ivato ary nankasitrahana manokana ireo mpanabe sy mpandraharaha nahavita be, izay notolorana mariboninahim-panjakana Chevalier de l’ordre national Malagasy, sy marim-pankasitrahana medaly alimo. شراء يانصيب اون لاين
Miandrandra ny fankalazana ny faha-50 taona nijoroany ny INPF, any amin’ny volana martsa 2024. قوانين البلاك جاك
« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Juin 2022