Etsy amin’ny centre de formation Kianja Makis Andohatapenaka no misy an’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy amin’ny taranja Rugby à 7. Koa ho fanohanana azy ireo dia nidina ifotony nijery sy nitafatafa tamin’ireo ekipam-pirenena ireo Ministra mpiahy ny taranja dia ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny Ministry ny Mponina, ny Fiahiana sosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy ary ny Ministry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asa-anjakana ary ny Lalàna Sosialy, ny zoma faha 28 jolay 2023.
Naneho ny fahavononany ireo Ministra mpiahy amin’ny fifanomezan-tanana hahatafita an’ireo mpilalao amin’ny dingana ambony indrindra ary koa hahafahan’izy ireo mibata ny amboara mandritry ny lalaon’ny nosy. Koa nandritra izao fihaonana izao dia nanolotra vatsy fanampiana sy fanamiana mitovy ho an’ireo mpilalao lahy sy vavy ireo Ministra mpiahy.
Nampanantena ihany koa ireto ray aman-dreny ireto fa ho avy hitsidika matetika ireo mpilalao mandritry ny fanazaran-tena sy ny fanomanana rehetra.
© CELCOM METFP/ jolay 2023
Préparation du jeux des Iles, discipline Rugby A7
Regroupés au centre de formation Makis Andohatapenaka, les équipes nationales masculines et féminines ont été honorées par la visite de leurs coachs entre autres la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, la Ministre de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la femme et le Ministre du Travail, de l’Emploi, de la Fonction Publique et des Lois Sociales, ce 28 juillet 2023.
Les Ministres coachs ont exprimé leur volonté à prêter main forte aux deux équipes afin qu’elles puissent obtenir de meilleurs résultats lors des jeux des îles et surtout de remporter une victoire.
Ainsi lors de cette rencontre, les Ministres coachs ont offert une enveloppe pour les deux équipes afin de les soutenir dans un premier temps et dans un second temps viendra les divers équipements et matériels nécessaires pour la préparation des joueurs.
© CELCOM METFP/ juillet 2023