Fiara miasa Vondrona Eoropeanina ( UE) sy METFP

Fiara miasa Vondrona Eoropeanina ( UE) sy METFP

Fiara miasa Vondrona Eoropeanina ( UE) sy METFP

🔴Nandray ny masoivohon’ny Vondrona Eropeanina monina sy miasa eto Madagasikara, Ramatoa Isabelle Delattre, ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fiofanana arak’asa, Ramatoa #Lalatiana_RAKOTONDRAZAFY, androany 27 febroary 2024. Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa sy fanatsarana ny fampiofanana ny vehivavy ny dinika.

🔴Mitovy ny tanjona iombonan’ny Vondrona Eropeanina sy ny Minisiteran’ Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa , dia ny fampidirana ny tovovavy sy ny vehivavy tanora eo amin’ny sehatry ny asa ahafahan’ireto farany mahaleo tena. Tsapa fa tsy mifanaraka ny tolotra sy ny tinady eo anivon’ny orinasa sy ny fanofanana arak’asa satria tsy mifanaraka amin’ny fahaiza-manao takiana eny anivon’ny orinasa ny fahaizana ananan’ny mpianatra.

🔴Hisy araka izany ny tetikasa iarahan’ny roa tonta amin’ny fanofanana ny vehivavy tanora, mahakasika ny sehatr’asa teknika azon’izy ireo iandraiketana tsara anatin’ny lalam-piofanana vaovao izay laharam-pahamehana (nouvelles filières prioritaires) toy ny angovo azo havaoizina, ny toekarena manga, ny sehatr’asa maitso na ny fambolena lovain-jafy ary ny resaka “digital”.

🔴Efa voafaritra ny paikady hanatanterahana izany tetikasa izany, efa voafaritra koa ny filan’ny fampiofanana ny tanora, tafiditra anatin’izany ary mifameno amin’ny fampiofanana ny fampitaovana ara-teknika sy ny fanavaozana ny trano fianarana (fourniture d’équipements et construction/réhabilitation des infrastructures), ary indrindra indrindra ny fampiofanana ho an’ny daholobe (formation de masse).

🔴Hatsangana manarak’izany ny toeram-piofanana (Centres de référence) mifandraika amin’ireo “nouvelles filières prioritaires” voalaza ireo izay iarahana amin’ny AFD. Efa voafaritra mazava ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny rafi-mpampianarana ho an’ireo asa voafantina ary ireo fampiofanana hampitaina (parcours de formation).

🔴Miara-dalana amin’izany ny fanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy pedagojika ho an’ireo mpampiofana eny anivon’ny ivon-toeram-panofanana iarahana amin’ny AUF.

“Olo mahay raha tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle