Fiaraha miasan’ny METFP sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM)

Fiaraha miasan’ny METFP sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM)

Fiaraha miasan’ny METFP sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM)

🔴Mamaha ny olana amin’ny tsy fifanojoan’ny fanofanana sy ny asa ny fitondram-panajakana ankehitriny, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Rehefa avy nifandinika tamin’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara, ny mahakasika ny filan’ny orinasa malagasy ny Minisitera, dia namolavola fandaharam-piofanana ho an’ny tanora, mifanaraka amin’izay filana izay.

🔴Ho firosoana amin’ny fanantaterahana ny vahaolana dia nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa natao sonia androany talata faha 5 marsa 2024 teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, tamin’ny alalan-dRamatoa minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ny sy Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), tamin’ny alalan’ny filohany, Tiana RASAMIMANANA.

🔴NY VOTOATIN’NY FIFANARAHANA :

👉milaza ny filany olona hiasa ny orinasa (ny fahaiza-manao tekinika takiany) ; mamolavola fiofanana ho an’ny tanora te hiasa ny minisitera.
👉Rehefa vita ny fiofanana dia mba raisin’ny orinasa miasa avy hatrany izy ireo satria afaka mamaly izay tadiavin’ny orinasa izay amin’ny fahaiza-manao ho azony amin’ny fiofanana.
👉Manampy amin’ny fampitaovana sy ny mpampiofana, raha ilaina, ny orinasa mpikambana.
👉 Hapetraka mazava ny fahafahana mianatra asa (stage) any anatin’ireo orinasa.
👉Hapetraka ny fahafahan’ny mpianatra manao ny antsoina hoe « formation en alternance », izany hoe sady mianatra no afaka miasa avy hatrany koa.

🔴NY ASA HATAO :

🎯𝐅𝐨𝐡𝐲 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚: hikarakara ny fampiofanana ny Minisitera, amin’ny alalan’ny INPF, ampifanarahina amin’izay filan’ny tsenan’ny asa izany.
🎯𝐀𝐧𝐭𝐨𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐥𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐳𝐚𝐤𝐚 : miroso amin’ny fanitsiana ny fandaharam-pianarana any amin’ny fampianarana tekinika sy fanofanana araka asa isika mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetrandro sy ny teknolojia, izay efa an-dalam-pamolavolana tanteraka ny Minisitera ankehitriny.

🔴Nambaran-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fa ““𝑀𝑖𝑙𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑡𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑖𝑧𝑦 𝑖𝑟𝑒𝑛𝑦 𝑛𝑜 𝑚𝑎𝑚𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑘𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑝𝑖𝑜𝑑𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑒𝑘𝑎𝑟𝑒𝑛𝑎”.. Ny asa sy ezaka fampandrosoana an’i Madagasikara, dia mila fanovana hatrany ifotony mihitsy mba tena hamaly ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny fampianarana tekinika sy ny fanofanana araka asa dia ny « développement du capital humain » sy ny « industrialisation de Madagascar ». Izany no atao mba hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny tahan’ny fahantrana.

“Olo mahay raha tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle