Ramatoa Minisitry ny raharaham-bahiny, RAFARAVAVITAFIKA Rasata, mitarika ny delegasiona malagasy sy Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, sady mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no irak’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, hisolo tena ny firenena malagasy mandritra ny fihaonana an-tampony voalohany karakarain’i Italie miaraka amin’ireo firenena afrikana.
Nanomboka ny 28 janoary ary hitohy anio 29 janoary 2024 izany fihaonana an-tampony izany, any Rome Italie, mandritra izany dia misy ny fiaraha-midinika amin’ireo tompon’andraikitra italiana isan-tsokajiny hametrahana sy hanamafisana ny fiarahamiasa amin’ny firenena roa tonta.
Fa ankoatra izay dia misy ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikitra misolo tena ny firenena afrikana samihafa. Omaly dia nihaona tamin’ny Minisitra lefitra afrikana tatsimo misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fiarahamiasa, Alvin BOTES, ny delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Manana fifandraisana manokana ny firenena 2 tonta satria mpifanolobodirindrina rahateo no manana tantara iombonana teo amin’ny ady tamin’ny fanavakavahana sy ho an’ny fahalalahana.
Manana fiarahamiasa amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-politika maro i Madagasikara sy Afrika Atsimo, ary nanamafy ny mbola fahavononany hanohy izany, manamarika ny faha-30 taonan’ny fifandraisany ara-diplomatika rahateo ny firenena 2 tonta amin’ny taona ity.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”