Fihaonana tamin’ny filohan’ny APEAM

Fihaonana tamin’ny filohan’ny APEAM

Fihaonana tamin’ny filohan’ny APEAM

Tao aorian’ny fiarahabana ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella noho ny taona vaovao ny 26 janoary 2023 dia niroso tamina dinik’asa ireo solotenan’ny Association Professionnelle des Entreprises d’Assurances à Madagascar (APEAM) izay tarihan-dRamatoa Lantonirina Andrianary, Tale jeneralin’ny Assurance Aro sy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministera.

Natao izao dinik’asa izao ho fametrahana fiaraha-miasa matotra sy mafonja eo amin’ny APEAM izay ahitana ny orinasa Aro, Ny Havana, MAMA, Allianz ary Sanlam sy ny METFP. Araka izany dia hitombo ireo mpiantsehatra ao anatin’ny fikambanana ary ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana sy ny fankatoavana ny traikefan’ireo mpiasa mba ho matihanina hatrany sy mamaly ny fivoaran’ny tsenan’asan’ny fiantohana.

Ankilan’izay nanamafy ny fahavononany amin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.

Raha tsiahivina dia Comité des Entreprises d’Assurances à Madagascar (CEAM) no niantsoana azy teo aloha ary manomboka ity taona 2023 ity dia miova ho Association Professionnelle des Entreprises d’Assurances à Madagascar (APEAM).

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ janoary 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle