🔴 Azo tsapain-tanana sahady satria misongadina ny vokatry ny fampiofanana faobe (formation de masse) karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa. Vehivavy miisa 20 tamin’ireo 70 nanaraka fiofanana momba ny zaitra (coupe et couture), tao amin’ny kaominina Antsoantany, Antsirabe II, no hiazo ny Nosy Maorisy afaka andro vitsivitsy, araka ny nambaran-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, tao anatin’ny lanonana famaranana ny fiofanana nataon’izy ireo androany sabotsy 23 martsa 2024.
🔴 Nomena vahana manokana ny vehivavy tamin’ity andiany indray mihira tamin’ny fanofanana faobe tao Antsoantany, Antsirabe II, ity izay niarahana tamin’ny Fikambanana “Fararano lava”. Mitotaly 164 izy ireo ary nizara sampam-piofanana miisa efatra. Ankoatra ireo nanaraka fiofanana momba ny zaitra dia teo ireo nanaraka fiofanana mikasika ny fanodinana ronono (transformation laitière) ary afaka avy hatrany hamokatra dobera sy fromazy, teo koa ireo nanaraka fiofanana mikasika ny fanamboarana mofomany (pâtisserie) izay miisa 57 ary ireo nanaraka fiofanana momban’ny fiompiana zanak’akoho (poulet de race locale) miisa 30.
🔴 Ny Centre de formation professionnelle (CFP) ao Antsoantany no nanome ireo fiofanana izay manara-penitra tokoa ho an’ireo vehivavy ireo. Tsy niofana fe niofana fotsiny anefa izy ireo, fa niofana mba ho afaka hiasa avy hatrany, hamelo-tena sy hamelona ny ankohonany, mba tsy ho vesatry ny fiaraha-monina, araka ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hanampiana ny tanora, ny vehivavy ary ny vondron’olona marefo.
🔴 “Zava-dehibe loatra hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, izany hoe vao vita fiofanana izany dia afaka miasa, afaka mizaka tena, afaka mitady vola. Ny fahaiza-manao dia efa noratovin’izy ireo nandritra ny fiofanana ary tsy mila afa tsy ny akora entiny mamokatra izy ireo, dia afaka miditra amin’ny sehatry ny matihanina tanteraka avy hatrany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”