🔴 Nandray ny solotenan’ny AFD (Agence Française de Développement) miasa eto Madagasikara Ramatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY omaly.
🔴 Fotoana nahafahan’ny roa tonta niresaka ireo tetikasa vatsian’ny AFD vola eo amin’ny sehatry ny fanofanana arak’asa. Hatreto dia misy rafitra 2 mipetraka iasan’ny AFD, dia ny FMFP sy ny CNEF BTP. Nitondra ny fanamarihany mikasika ireo rafitra ireo Ramatoa Minisitra ka nametraka fa ilaina ny fiverenana amin’ny fifampidinihana mikasika azy ireo, mba ho fanatsarana ka tena hisy fiantraikany marina any amin’ny tanora malagasy tokony ofanina ny tetikasa.
🔴 Naneho ny fahavononany hanohy ny fiarahamiasa amin’ny AFD Ramatoa Ministra saingy manindry mafy kosa ny mba hikatsahana izay tena tombontsoan’ny tanora malagasy sy ny mpampiasa izay mandoa latsakemboka ao anatin’ny FMFP. Vonona amin’ny fifampidinihana hitondrana fanatsarana ihany koa ny AFD. Hitohy amin’ny dinika teknika araka izany ny dingana manaraka.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”