🔴 Vehivavy marefo sy mananotena miisa 140, avy any amin’ny faritra Antsinanana, no notolorana “milina fanjairana, hety, kofehy ary metatra, androany 7 martsa 2024 tao Toamasina. Izy ireo dia nanaraka fiofana faobe (formation de masse) mahakasika ny zaitra (coupe et couture) nandritra ny folo andro, izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, tarihan-dRamatoa Minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, ary notolorana mari-pankasitrahana ho mariky ny fahavitan’ny fiofanana narahiny.
🔴 Nanome voninahitra izany lanonana izany ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta sasany. Henikaja tokoa ireo vehivavy ireo, noho ny fanotronan’ny Renin’ny Malagasy rehetra izao hetsika izao, ary tsy mahatsiaro ho kamboty noho ny fanohanan’ny vadin’ny Filoha azy ireo.
🔴 Izao hetsika izao dia anisan’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy ampiofanana ny vahoaka mba tsy ho vesatra ho an’ny fiarahamonina. Izany dia voalazan’ny andry stratejika voalohany, dia ny fampandrosoana ny loharanon-karena maha olona (développement du capital humain). Rahampitso ihany dia ho afaka hiasa ireo vehivavy ireo, ary hamelona ny tenany, fa indrindra hanjaitra ireo aron’akanjo ho an’ny mpianatra, miisa 3 tapitrisa, tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika iarahana amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
🔴 Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa : “Ireo vehivavy ireo dia niangaran’ny fiainana, mamelon-jananaka irery, misy ny misedra olana hafa, ara-tsosialy ara-toekarena, saingy mahazo tombony manokana androany satria nojerenao Ramatoa vadin’ny Filohan’ny Repoblika. Misaotra anao amin’ny fanokananao ny fotoananao, fanohanana ireo vehivavy. Ny tohana avy any aminao dia manome tsirim-panantenana ho azy ireo indray, ahafahany mivoatra amin’ny fiainana indray”.
🔴 Ramatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filohan’ny Repoblika : “Mahafaly ahy ny mahita ireo vehivavy 140 avy aty amin’ny faritra Antsinanana, misitraka izao fiofanana zaitra izao. Ny fampiofanana toy izao dia fanovozana fahalalana, ahazoana tombony amin’ny fivoaran’ny saina, antoky ny fampandrosoana sy ny fivoaran’ny firenena (…) Manana fahaiza-manao ahafahany mizaka tena ny vehivavy, fanohanana sy tosika no ilainy, mba hananany fatokisan-tena sy herin-tsaina, entiny manatanteraka ireo vina sy tetikasa, ka mamporisika hatrany ny tenako ny hitohizan’izany bebe kokoa manerana an’i Madagasikara”.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”