🔴 Niova endrika tanteraka ny efi-trano fampianarana sy fanamboarana sambo vita amin’ny hazo (salle de classe et atelier de construction navale en bois) tao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) tao Morondava, faritra Menabe. Noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fikambanana IO RENALA dia narenina ny trano falafa teo aloha ary lasa trano tsara tarehy misy efi-trano roa, vita amin’ny biriky ary mitafo fanitso.
🔴 Nofaranana androany faha 29 febroary 2024 ny asa fanarenana io fotodrafitrasa io, tao anatin’ny fanakalazana tamin’ny fomba ofisialy ny andron’ny ivon-toeram-panofanana (journée des établissements) ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Narahina fitokanana izany. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
🔴 “Mahavelom-panantenana ny fiaraha-mientana amin’ny tanora toy izao, sy ny fikambanana miahy ny tanora”, hoy ny minisitra Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, tamin’ny fandraisany fitenenany, izay nisaorany manokana ny mpianatra sy ny fikambanana IO RENALA.
🔴 Ny ankamaroan’ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa manerana ny Nosy dia saiky efa simba avokoa, satria tsy nisy fikarakarana, ary mila fanavaozana sy fanarenana. Anisan’ireo nahitana fahasimbana goavana ity lisea teknika tao Morondava ity, ary tena nilana fanatsarana sy fanamboarana. Tao anatin’ny herinandro monja ny nanaovana ny fanarenana ilay trano vaovao sy ny asa fanatsarana rehetra.
🔴 Ankoatr’io asa goavana io dia nitondra fanavaozana tamin’ny sekoly iray manontolo ny hetsika « Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », izay natao tao tany Morondava, tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny ivon-toeram-panofanana (journée des établissements), izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe “Manavao sy manarina ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ho fanoitran’ny tena fampandrosoana”.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”