Amin’izao ankatoky ny lalaon’ny nosy ho tanterahina eto Madagasikara izao, dia niara-nientana ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, notarihan-dRamatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella nandio ny kianja Barea Mahamasina anio faha 24 aogositra 2023.
Am-pifaliana tanteraka no nanaovan’ny fianakaviamben’ny METFP izao asa fanadiovana ny toerana misy ny Tribune centrale sy ny seza rehetra izao. Teo koa ny fandokoana ny faritra ivelan’ny kianja Barea izay niarahana tamin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Ireo asa rehetra natao dia teo ambany fitarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanana vaovao sy ny toeram-ponenanan (SENVH).
© CELCOM METFP/ aogositra 2023
JEUX DES ILES 2023 A MADAGASCAR
C’est dans un esprit de convivialité que la grande famille du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle a procédé à l’assainissement du stade Barea Mahamasina ce 24 août 2023 dans le cadre de la préparation des Jeux des Iles.
L’équipe du METFP sous la houlette de La Ministre VAVITSARA Rahantanirina Gabriella a effectué un nettoyage des chaises de la Tribune centrale ainsi qu’à la peinture des façades extérieures du stade et de la clôture extérieure. Les autres Ministères tels que le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable, le Ministère des Transports et de la Météorologie ont également prêté main forte au METFP sous l’organisation du Secrétariat d’Etat en charge des Nouvelles Villes et de l’Habitat (SENVH).
© CELCOM METFP/ août 2023