METFP – Association Zara Hasina : Hisy fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy

METFP – Association Zara Hasina : Hisy fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy

METFP – Association Zara Hasina : Hisy fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy

Tontosa ny 09 aogositra 2023, tao amin’ny efitrano fivorian’ny METFP ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofana arak’Asa, sy ny Fikambanana Zara Hasina. Niatrika izany ny Ministra tompon’andraikitra, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella sy ny Filoha lefitry ny Fikambanana.

Izao fifanaraham-piaraha-miasa izao dia tafiditra indrindra amin’ny fampiharana ny fiofanana faobe (formation de masse), ka vehivavy miisa 6000 no kasaina hofanina amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampivoarana ny maha olona. Haharitra efa-bolana ny fiofanana ary hipariaka eto Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina ary Mahajanga.

Tsara ny manamarika fa anisan’ireo mpiara-miombon’antoka ny UNESCO sy ny Centre d’Excellence et d’Entrepreneuriat (ISCAM), mba hampanara-penitra sy hanamafy ny kalitaon’ny fampiofanana ho atolotra. Tanjona iombonan’ireo mpiantsehatra amin’ity tetikasa ity, ny fampivoarana ny vehivavy sy ny fanomezana azy ireo ny fahalalana rehetra ahafahany miasa avy hatrany sy mamorona asa ho an’ny tenany.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aogositra 2023


METFP – Association Zara Hasina : Un Partenariat axé sur la formation des femmes

La signature de la convention de partenariat entre le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle et l’Association Zara Hasina a eu lieu ce 09 août 2023, à la salle de réunion du METFP.

La Ministre VAVITSARA Rahantanirina Gabriella d’une part, et le Vice-Président l’Association Zara Hasina d’autre part ont procédé à la signature de ladite convention.

Ainsi, cet accord de coopération porte principalement sur la mise en œuvre d’une formation de masse. 6 000 femmes sont prévues pour bénéficier des formations dans le domaine de l’entrepreneuriat et le développement personnel, pendant quatre mois. Une formation qui se fera dans les ex-chefs-lieux de provinces ; entre autres Antananarivo, Antsiranana, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina et Mahajanga.

A noter que l’UNESCO et Le Centre d’Excellence et d’Entrepreneuriat (ISCAM) font partie des partenaires pour la réalisation de ce projet, en vue d’octroyer une formation de qualité aux bénéficiaires. L’objectif est le même pour les parties prenantes de ce projet, celui de permettre aux femmes d’acquérir les compétences nécessaires afin de garantir leur employabilité.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ août 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle