🔴Tsy mitsahatra mitady fiarahamiasa hanampiana amin’ny fampiofanana ny tanora malagasy arak’asa ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa.
🔴Hisy ny fandaharanasa lehibe ahafahana mampiofana ny tanora malagasy amin’ny resaka fandraisam-bahiny sy fizahan-tany iarahana amin’ny « Bradford Institute » atsy amin’ny Nosy Maurice, izay hiantohana avy hatrany ny fahafahan’izy ireo miasa raha vao vita fiofanana.
🔴Ho fanomanana izany dia nisy ny fivoriana nampitain-davitra notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny tompon’andraikitry ny Bradford Institute androany tolakandro tao amin’ny birao fiasany tao Ampefiloha.
🔴Hiroso tsy ho ela amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa ny 2 tonta aorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piarahamiasa.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”