🔴Nifanesisesy ny fandaharam-potoanan’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa androany tolakandro.
🔴Nandray ny masoivohon’ny firenena Japoney miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa ABE Koji koa ramatoa Minisitra, tao amin’ny birao fiasany tetsy Ampefiloha. Niara-dia tamin’Atoa Masoivoho ireo tomponandraikitra avy amin’ny sampan-draharaha japoney amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena na JICA.
🔴Ny resaka fampiofanana arak’asa ny tanora malagasy, indrindra amin’ny resaka harena ankibon’ny tany no tena nifantohan’ny diniky ny roa tonta. Hisy ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo orinasa lehibe mpitrandraka harena ankibon’ny tany izay miasa eto amintsika mba handray hiasa avy hatrany ireo tanora izay hisitraka fampiofanana, rehefa vita izany.
🔴Nanao adisisika ny mba hanohanan’ny firenena Japoney ny fanarenana ireo fotodrafitrasa eo anivon’ny Minisitera toy ny LTP sy ny CFP izay maro fahasimbana Ramatoa Minisitra. Naneho ny fahavononany hifanome tanana avy hatrany ny Masoivoho Japoney.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”