Tao aorian’ny fitsidihana ny orinasa MKLEN International eny Anosiala, izay nataon-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny volana mey lasa teo dia tonga nihaona taminy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasa MKLEN ny 03 aogositra 2023, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP).
Izao fihaonana izao dia niompana tamin’ny dinika ahafahana mankatoa ara-panjakana ny ivon-toeram-panofanana misy eo anivon’ny MKLEN. Teo ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa izay eritreretina ho apetraka eo amin’ny METFP, ny FMFP ary ny MKLEN. Ity farany moa dia orinasa afakaba misehatra eo amin’ny famokarana pataloha isan-karazany ary manana ny toerany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Araka ny nambaran’ny Tale misahana ny maha olona eo anivon’ny MKLEN dia zava-dehibe ho an’ny orinasa ny fankatoavana ara-panjakana satria voamarina ny fahaiza-manaon’ireo mpiasa ary koa mampiakatra ny kalitaon’ny asa vokarina izany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aogositra 2023
METFP – MKLEN INTERNATIONAL : Un partenariat en vue, pour l’agrément de son centre de formation
Faisant suite à la visite effectuée par Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle à l’entreprise MKLEN International sise à Anosiala en mai dernier, les responsables de MKLEN sont venus à sa rencontre le 03 août 2023, en compagnie du Directeur Général du Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP).
Cette rencontre a été axée sur la discussion de l’agrément du centre de formation au sein de MKLEN. Mais il y a également un accord de partenariat qui va être établi entre le METFP, le FMFP et MKLEN. Il est à noter que cette dernière, est une entreprise franche qui assure la production de divers pantalons destiné au marché international.
Selon le Directeur des Ressources Humaines de MKLEN, la reconnaissance gouvernementale est importante pour l’entreprise, car elle confirme les compétences des employés et augmente également la qualité du travail produit.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ août 2023