Le 04 août 2023, un événement historique s’est déroulé à la salle de réunion du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP) Ampefiloha : la signature d’une convention entre le METFP représenté par la Ministre VAVITSARA Rahantanirina Gabriella et l’ONG Douleur Sans Frontières (DSF) représenté par Madame Jeanne VIGNES, Directrice Nationale de l’ONG DSF.
Cet accord de partenariat est d’une importance particulière car elle marque le début d’une initiative novatrice et humanitaire destinée à améliorer la vie des femmes emprisonnées. Ainsi, la convention a pour objectif d’assurer la formation en couture notamment des robes, des pantalons et des Serviettes Hygiéniques Lavables (SHL), dans 4 établissements pénitentiaires du pays à savoir Antanimora, Diego, Mananjary et Manakara, dans le cadre du projet Mikolo Aina.
Grace à cette démarche inclusive, le METFP et l’ONG Douleur Sans Frontières avec l’appui du Ministère de la Justice mettra en place un programme de formation professionnelle adapté aux besoins spécifiques des détenues. Cette formation visera à leur offrir de nouvelles compétences, des perspectives d’emploi et une véritable chance de reconstruire leur vie après leur sortie de prison.
A tite de rappel, le projet Mikolo Aina a pour objectif d’améliorer l’accès aux soins de santé des personnes détenues et de renforcer les compétences techniques du personnel de l’Administration Pénitentiaire. Mikolo Aina figure donc parmi les trois projets d’appui dans le cadre du Programme FANARENANA, financé par l’Agence Française de Développement et dont le Maître d’ouvrage est le Ministère de la Justice.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ août 2023
METFP – ONG DOULEURS SANS FRONTIERE : Fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanofanana ireo vehivavy voafonja
Notanterahina ny 04 aogositra 2023 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP) Ampefiloha ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny METFP tamin’ny alalan-dRamatoa Minisitra, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella sy ny ONG Douleur Sans Frontières ( DSF) tamin’ny alalan-dRamatoa Jeanne VIGNES, Tale Nasionalin’ny ONG DSF.
Ity fifanarahana fiaraha-miasa ity dia manan-danja manokana satria manamarika ny fanombohan’ny hetsika vaovao sy manaja ny maha-olona, izay mikendry ny fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy voafonja. Tanjon’ny fifanarahana araka izany, ny hanomezana fiofanana momba ny fanjairana, indrindra ny akanjo tohitena, pataloha ary Serviettes Hygiéniques Lavables (SHL), eny anivon’ny fonja 4 dia Antanimora, Antsiranana, Mananjary ary Manakara, ao anatin’ny fampiharana ny tetikasa Mikolo Aina.
Manaraka ny fomba fiasa mampiaty, ny METFP sy ny ONG Douleur Sans Frontières miaraka amin’ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Fitsarana dia hametraka programam-panofanana arak’asa mifanaraka amin’ny filàn’ny voafonja. Ity fiofanana ity dia mikendry ny hanome azy ireo fahaiza-manao vaovao ahafahany mioitra amin’ny fiainana sy miverina indray eny anivon’ny fiarahamonina ao aorian’ny fivoahana ny fonja.
Raha tsiahivina, ny tetikasa Mikolo Aina dia mikendry ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an’ireo voafonja sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Mpandraharahan’ny fonja. Mikolo Aina, araka izany, dia iray amin’ireo tetikasa fanohanana telo ao anatin’ny fandaharan’asa FANARENANA, vatsian’ny Agence Française de Développement ary ny Minisiteran’ny Fitsarana no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana azy.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aogositra 2023