La signature de convention entre le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP) et World Intermediation Plateform (WIPwork) s’est tenue le 25 septembre 2023 à Ampefiloha. Le METFP représenté par Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella et WIPWork représenté par la Directrice Générale, Madame Regina RAMAMONJISOA.
Ce partenariat novateur vise à établir une collaboration durable entre le METFP et WIPwork, en permettant ainsi une inscription directe et gratuite des apprenants et des étudiants. A cet effet, tous les inscrits sur la plateforme recevront un label d’approbation du METFP, garantissant la qualité de leur formation.
WIPWork est une plateforme de recrutement et de mise en relation directe et sans intermédiaire des demandeurs d’emploi et des recruteurs. Une formation de masse est donc prévue dans le but d’aider les chercheurs d’emploi à utiliser la plateforme et d’accroître leur visibilité auprès des futurs employeurs.
La vision des deux parties est la même, celle de préparer la main-d’œuvre malagasy et favoriser une croissance économique.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ septembre 2023
METFP – WIPWORK : Fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fampiroboroboana ny fampananan’asa
Notanterahina ny 25 septambra 2023 tao Ampefiloha ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP) sy ny World Intermediation Plateform (WIPwork). Ramatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella (METFP) sy Ramatoa Regina RAMAMONJISOA, Tale Jeneraly (WIPwork) no niroso tamin’izany fandraiketana ny fiaraha-miasa izany.
Izao fanaovan-tsonia izao dia mikendry ny hanangana fiaraha-miasa maharitra sy mahomby eo amin’ny METFP sy ny WIPwork, ka afaka misoratra avy hatrany sy maimaimpoana ireo mpianatra sy mpiofana. Araka izany, dia hahazo mari-pamantarana fankatoavana avy amin’ny METFP ireo rehetra misoratra anarana ao amin’ny WIPwork.
WIPWork dia sehatra fandraisana mpiasa sy fifandraisana mivantana tsy misy mpanelanelana eo amin’ny mpitady asa sy ny mpmpiasa. Hisy noho izany fanofanana faobe ho fanoroana ny fomba fampiasana azy mba hanamorana ny fifandraisan’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny mpampiasa sy ireo mpitady asa.
Mitovy araka izany ny tadin-dokanga izay mifototra amin’ny fanomanana ireo mpiasa malagasy enti-mampiroborobo ny toekarem-pirenena.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ septambra 2023