🔴 70 ka hatrany 80 isan-jaton’ireo tanora 200 niofana tamin’ny asa manodidina ny aterineto (métiers du web), natao tao Toamasina no horaisin’ireo orinasa mpiara-miombona antoka hiasa avy hatrany, aorian’ny “personnal branding” sy ny “entretien d’embauche” ( speed recruiting) izay natomboka androany 7 martsa 2024, taorian’ny fizarana ny fanamarinam-piofanana.
🔴 Ity fizarana fanamarinam-piofanana ity no nanamarika ny famarana ny fampiofanana ho an’ny daholobe ( formation de masse ), andiany voalohany, ho an’ny asa manodidina ny aterineto, tao Toamasina. Nitarika ny lanona natao tao amin’ny PACT Toamasina, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fampiofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY.
🔴 “Manatanteraka ny teny nomeny ny minisitera mahakasika ny fanohizana ny fanarahana ny mpiofana mandra-pahafiditra azy ireo amin’ny sehatry ny asa”, hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Tsy vitan’ny manome fiofanana maimaimpoana ny minisitera fa manao tantsoroka azy ireo amin’ny fanokafana lalana hidirana eo amin’ny sehatry ny asa.
🔴 Tratra avy hatrany, araka izany, ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny amin’ny fanomezana asa ny tanora malagasy.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
Lalatiana Rakotondrazafy