Miss University Africa Madagascar : Nitsidika ara-pomba fanajana an-dRamatoa Minisitra

➡➡Nitsidika ara_pomba fanajana ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella tao amin’ny birao fiasany Ampefiloha, ny 7 novambra 2022 i Andriamoria Harikanto Morgane, voahositra ho Miss University Africa Madagascar, mpianatry ny Université INSCAE sy ISPM.

✅✅Araka ny fandaharam_potoana dia hiatrika ny fifaninanana iraisam_pirenena Miss Africa University tanterahina ny volana desambra izao any Nigeria i Morgane.

🎯🎯Amin’ny maha reny mpiahy ny fifaninanana Miss University Africa Madagascar an_dRamatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella dia nitsodrano an’ity mpifaninana hisolotena an’i Madagasikara ity ny tenany.

💯💯Marihina fa ho lasa ambassadrice ny UNICEF aty Afrika hanentana ny Ray aman_dreny sy ny ankizivavy hanohy fianarana izay hivoaka mpandresy amin’ireo firenena dimy amby dimampolo(55) mandray anjara amin’ny fifaninanana.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ novembre 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle