Nanomboka androany ny fanofanana arak’asa ho an’ireo tanora hisehatra ny « METIERS DU WEB » (call centers, web marketing, mailing, …)

Fanamby lehibe ho fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena ny fanomezana fahaiza-manao sy traikefa ho an’ny tanora mba ahafahan’izy ireo miditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany.

Tanora miisa 200, voafantina tamin’ireo maherin’ny 1.500 nisoratra anarana no misitraka fiofanana arak’asa maimaim-poana izay karakarain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa nanomboka androany tetsy amin’ny « Amphi B » complexe scolaire Ampefiloha.

Iaraha-mahalala fa miroborobo ny aterineto sy ny asa mifandray amin’izany eto Madagasikara izay mahasarika ny mpandraharaha avy any ivelany noho izy manana tombony tahaka ny fahaizan’ny tanora malagasy ny teny frantsay, ny sandan’ny karama sy ny sisa. Noho izany dia tsy mitsahatra mandray mpiasa mihitsy ny orinasa maro eo amin’io sehatry ny « métiers du web » io ankehitriny.

Tsy misy anefa hatreto fiofanana avy amin’ny Fanjakana ho an’ny tanora te-hisehatra amin’io asa io ka nanapa-kevitra ny Minisitra ankehitriny hikarakara fiofanana faobe ara-kalitao izay hahazoana tanora tsara ofana, vonona avy hatrany hiditra eo amin’ny sehatry ny asa, ka hampihenana haingana ny tahan’ny tsy fananana asa.

Hametraka fiarahamiasa amin’ireo orinasa lehibe eo amin’io sehatra io ny Minisitera mba horaisin’izy ireo avy hatrany hiasa ny tanora vita fiofanana, andiany voalohany rahateo ity natomboka androany ity fa hitohy ary hihitatra any amin’ny faritra hafa izay efa misy orinasa manao ny « métiers du web », tahaka an’i Toamasina, Toliara, Fianarantsoa, Antsirabe sy ny hafa.

Fotodrafitrasa vao nohavaozina no nandraisana ny mpiofana, satria anaty tontolo madio sy mirindra no hahafahan’ny saina mifantoka dia rariny raha tolorana fotodrafitr’asa mendrika sy fanofanana ara-kalitao ireo tanora.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle