Nanokatra ny fampiofanana mahakasika ny asa famakiana vato, handrafetana rarivato, teny amin’ny fokontany Antohibe, Ambohidratrimo, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, androany zoma 02 Febroary. Nanotrona azy tamin’izany ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Johnny RAKOTOARISOA sy ny Ben’ny Tanàna ary ireo tomponandraikim-panjakana isan-tsokajiny.
Mpiofana ho mpampianatra mamaky vato miisa 41 no nofanina nanomboka ny alatsinainy faha 29 jaonary, ary notolorana taratasim-pankasitrahana manamarika ny fahavitan’ny fiofanana izy ireo tao anatin’ny lanonana notontosaina androany. Izy ireo dia hampiofana olona miisa 20 avy, satria tsy maintsy arahina maso akaiky ny mpiofana tsirairay. Mitotaly 800 izany ny mpiofana mpamaky vato, handrafetana rarivato, havoaka aorian’ny fiofanana izay volavolain’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa.
Hisy ny fifanarahana ataon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, mba ho ireo tanora nandray anjara tamin’ny fiofanana, izay omena taratasim-pankasitrahana, no omena asa avy hatrany, hanao ny asa fandrafetana rarivato amin’ny lalana, izay atao eto Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’dRamatoa minisitra, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
“Olo mahay, tsy very mandeha”