🎯🎯Ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao ananan’ireo vehivavy miisa 460 avy ao amin’ny faritry 23 manerana ny nosy; dia niara-nisalahy ny Association Fitia izay tarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filoham-pirenena, ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ary ny Ministeran’ny mponina, amin’ny fisitrahan’izy ireo fiofanana fototra sy mampidi-bola (Activités Génératrices de Revenus).
✅✅Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha izao hetsika fanofanana izao ny Zoma faha 03 martsa 2023, ary tonga nanome voninahitra izany Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa – sy ny Ministry ny Mponina, ny Fiahiana Sosialy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy.
💯💯Tanjona ny hananan’izy ireo anton’asa mahavelona, ny maha izy azy eo amin’ny fiaraha-monina fa indrindra ny fametrahana azy amin’ny toerana mendrika azy mba tsy hisian’ny fanilikilihana. Haharitra telo andro ny fanofanana ary ny cuisine sy pâtisserie no hianarana amin’izany. Tsara ny manamarika fa mpampiofana avy ao amin’ny METFP ny Association Fitia sy ny avy ao amin’ny Havila School no hampita ireo fahaiza-manao sy fanofanana ho an’ireo vehivavy ireo.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ martsa 2023