La remise officielle des certificats pour 30 maçons ayant suivi le programme Club de maçons de CEMENTIS s’est tenue au Petit Amphi Ampefiloha le 03 août 2023 en présence de la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ainsi que du Directeur Général de CEMENTIS Madagascar, Monsieur François de Lesquen.
Le programme Club des Maçons a été créé afin de :
- renforcer les savoir-faire et compétences des ouvriers du bâtiment et du génie civil,
- permettre une meilleure employabilité des ouvriers et leur garantir une amélioration de leurs sources de revenus.
Le METFP et CEMENTIS partagent les mêmes ambitions d’engagement afin de contribuer au développement de Madagascar par la formation, ce qui met en œuvre les Velirano 4 et 6.
A titre de rappel, la collaboration entre le METFP et CEMENTIS date de 2021, suite à la signature de convention de partenariat stipulant la certification des attestations. A cela, s’ajoute également la construction ou la réhabilitation de plusieurs CFP dont à Mananjary, à Toamasina, à Toliara et à Fianarantsoa.
Pour cette année, CEMENTIS prévoit aussi des formations pratiques sur l’utilisation du ciment, en coopération avec quelques centres de formation professionnelle.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ août 2023
Fanolorana mari-piofanana ao anatin’ny fandaharan’asa Club des Maçons
Notanterahina tao amin’ny Petit Amphi Ampefiloha ny 03 aogositra 2023 ny fanolorana mari-piofanana ho an’ireo mpanao taotrano miisa 30 mianadahy, izay nanaraka ny fandaharan’asan’ny CEMENTIS, Club des Maçons. Tonga nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy Andriamatoa François de Lesquen, Tale Jeneralin’ny CEMENTIS Madagascar.
Ny programa Club des Maçons dia noforonina mba hahafahana :
- manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo amin’ny taotrano sy ny asa vaventy,
- manome fahafahana tsara kokoa ho an’ny mpiasa ary miantoka ny fanatsarana ny loharanom-bolany.
Ny METFP sy ny CEMENTIS dia mifanome tanana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiofanana ara-kalitao, izay mampihatra ny Velirano 4 sy 6 rahateo.
Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 2021 ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny CEMENTIS, taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa mamaritra ny fanamarinana sy fankatoavana ny mari-piofanana. Ankoatra izay, dia misy ihany koa ny fanamboarana na fanarenana ireo CFP maromaro toy ny any Mananjary, any Toamasina, any Toliara ary any Fianarantsoa.
Ezaka manan-danja ho amin’ity taona ity ihany koa ny fanofanana eny an-tsehatra (fanazarana) amin’ny fampiasana ny simenitra, izay iarahan’ny CEMENTIS sy ireo ivon-toeram-panofanana.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aogositra 2023